4 - Plus de 1200
3 - 980px - > 1199px
2 - 768px - > 979px
1 - 480px - > 767px
0 - 480px

Tononkira Refila sy ramananasy - Lolo sy ny Tariny

Mitora-jofo ny làlan’Isalo

Fa mihazakazaka any izy mivady

Hamonjy ny fetin’ny havany avy any Tsi/didy

Lokanga Bara no mba enta-kely

Sy boatin-dronono nataony kaiamba

Ka maila-pamindra tsy manana bagazy firy



  Refila avy any Amboasary

  Mpitendry lokanga malaza

  Sy Madama Ramananasy

  Nandao ny làlan’ny fiara-kodia

  Ka nandray ny tapi-tanety

  Ho vetivety dia tonga,mafanafana ny fety

  Refila avy any Amboasary sy Madama Ramananasy



Na avy any avaratra,na avy any atsimo

Misosa mitopa ny zana-tsalopy

Manaraka ny lakan-dranon’ilay Pangalana

Mamohy eny aloha any Rabamôzely

Somary mihira ny rivotra an’ala

Manaraka mora ny godron’i Charles kely



  Ka indro hamaky ny ala

  Hatrany afovoan’ny tany

  Hapetrako eo ny salopy

  Hapetrako eto iny ka alaiko ampitso

  F’izaho mbola ho any Tsi/didy

  Ho vetivety dia tonga,hafanafana ny fety

  Madama Rabamôzely sy Rakoto charles kely

Partager refila sy ramananasy

Commenter refila sy ramananasy

Les autres chansons de l'artiste ou du groupe Lolo sy ny Tariny

Suite